1. I exhort therefore, that, first of all, supplications, prayers, intercessions, and giving of thanks, be made for all men;
1. J`exhorte donc, avant toutes choses, à faire des prières, des supplications, des requêtes, des actions de grâces, pour tous les hommes,
1. "Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fitarainana, fivavahana, fifonana amim-bavaka, fisaorana ho an’ny olona rehetra;"
2. For kings, and for all that are in authority; that we may lead a quiet and peaceable life in all godliness and honesty.
2. pour les rois et pour tous ceux qui sont élevés en dignité, afin que nous menions une vie paisible et tranquille, en toute piété et honnêteté.
2. Ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamarinana rehetra.
3. For this is good and acceptable in the sight of God our Saviour;
3. Cela est bon et agréable devant Dieu notre Sauveur,
3. Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
4. Who will have all men to be saved, and to come unto the knowledge of the truth.
4. qui veut que tous les hommes soient sauvés et parviennent à la connaissance de la vérité.
4. Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.
5. For there is one God, and one mediator between God and men, the man Christ Jesus;
5. Car il y a un seul Dieu, et aussi un seul médiateur entre Dieu et les hommes, Jésus Christ homme,
5. Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
6. Who gave himself a ransom for all, to be testified in due time.
6. qui s`est donné lui-même en rançon pour tous. C`est là le témoignage rendu en son propre temps,
6. Sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin' ny fotoan' androny,
7. Whereunto I am ordained a preacher, and an apostle, (I speak the truth in Christ, and lie not;) a teacher of the Gentiles in faith and verity.
7. et pour lequel j`ai été établi prédicateur et apôtre, -je dis la vérité, je ne mens pas, -chargé d`instruire les païens dans la foi et la vérité.
7. Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy apostoly (milaza ny marina ao amin’i Kristy aho fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny Jentilisa amin’ny finoana sy ny fahamarinana.
8. I will therefore that men pray every where, lifting up holy hands, without wrath and doubting.
8. Je veux donc que les hommes prient en tout lieu, en élevant des mains pures, sans colère ni mauvaises pensées.
8. "Koa tiako ny lehilahy hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana masina, tsy amin’ny fahatezerana sy fisalasalana;"
9. In like manner also, that women adorn themselves in modest apparel, with shamefacedness and sobriety; not with broided hair, or gold, or pearls, or costly array;
9. Je veux aussi que les femmes, vêtues d`une manière décente, avec pudeur et modestie, ne se parent ni de tresses, ni d`or, ni de perles, ni d`habits somptueux,
9. Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na ny perila, na ny fitafiana sarobidy,
10. But (which becometh women professing godliness) with good works.
10. mais qu`elles se parent de bonnes oeuvres, comme il convient à des femmes qui font profession de servir Dieu.
10. Fa amin’ny asa tsara (izay mahamendrika ny vehivavy manaiky izay araka an’Andriamanitra).
11. Let the woman learn in silence with all subjection.
11. Que la femme écoute l`instruction en silence, avec une entière soumission.
11. Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky amin' ny zavatra rehetra.
12. But I suffer not a woman to teach, nor to usurp authority over the man, but to be in silence.
12. "Je ne permets pas à la femme d`enseigner, ni de prendre de l`autorité sur l`homme; mais elle doit demeurer dans le silence."
12. Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanam-pahefana amin' ny lehilahy, fa hangina ihany.
13. For Adam was first formed, then Eve.
13. "Car Adam a été formé le premier, Eve ensuite;"
13. Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.
14. And Adam was not deceived, but the woman being deceived was in the transgression.
14. et ce n`est pas Adam qui a été séduit, c`est la femme qui, séduite, s`est rendue coupable de transgression.
14. Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.
15. Notwithstanding she shall be saved in childbearing, if they continue in faith and charity and holiness with sobriety.
15. Elle sera néanmoins sauvée en devenant mère, si elle persévère avec modestie dans la foi, dans la charité, et dans la sainteté.
15. Nefa hovonjena ihany izy amin’ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ny fahononan-tena.
<
>